Flash cyclone CT Cheneso Jeudi 26 Janvier 2023 à 10 h Locales

24/10/2026 · Météo Madagascar

Descrição

Tamin’ny 09 ora teo dia tany amin’ny 157 Km Andrefana somary Avaratra Andrefan’i Morondava no nisy ny foiben’i CHENESO. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Manomboka mikisaka miadana mianatsimo Andrefana izy ka mahafaka 7 Km/ora.
Tsy ahiana ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 Km miala ny morontsiraka izy ato anatin’ny 2 andro manaraka. Noho izany dia mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 Km/ora ireo Distrika amin’ny morontsiraky MENABE sy ATSIMO ANDREFANA anio Alakamisy.
Noho izany dia mbola mitoetra ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ireto
Distrika manaraka ireto : BELON’I TSIRIBIHINA, MORONDAVA, MANJA, MOROMBE ARY TOLIARA I-II.
Mbola hitohy ny rotsakorana (40 ka hatramin’ny 80 mm/24 ora) hatramin’ny rahampitso any MELAKY, MENABE, BOENY, ATSIMO ATSINANANA, Analalava sy Antsohihy. Noho izany dia manakery hatrany ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana.

Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana, Andrefana, Atsimo Andrefana, Atsimo ary eo anelanelan’ny Farafangana sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka satria mbola hikorontana ny toetry ny andro.

BULLETIN CYCLONIQUE SPECIAL DU 26 JANVIER 2023 A 10 HEURES LOCALES
A 09 heures locales, CHENESO se trouvait à 157 Km à l’Ouest-Nord-Ouest de
Morondava. Le vent moyen est estimé à 120 Km/h avec des rafales de 165 Km/h près du centre.
Elle a commencé à adopter un déplacement vers le Sud-Ouest à une vitesse lente de 7 Km/h.
Pour les 2 jours à venir, CHENESO devrait poursuivre son évolution à plus de 100 Km des littoraux Ouest. Ainsi, il existe toujours un risque avéré d’occurrence de rafales de 50 à 80 Km/h pour les Districts longeant les côtes de MENABE et ATSIMO ANDREFANA aujourd’hui.
Par conséquent, l’Alerte Jaune ou avis de menace pour les Districts suivants reste en vigueur :
BELON’I TSIRIBIHINA, MORONDAVA, MANJA, MOROMBE ET TOLIARA I-II.

Par ailleurs, les pluies (40 à 80 mm/24 heures) vont encore persister jusqu’à demain sur MELAKY, MENABE, BOENY, ATSIMO ATSINANANA, Analalava et Antsohihy. Par conséquent, la vigilance forte pluie restera également en vigueur.
Les usagers maritimes sur le Nord-Ouest, Ouest, Sud-Ouest, Sud et entre Farafangana et Taolagnaro sont priés de ne pas s’aventurer en mer car les conditions météorologiques vont rester maussades.

Afaka arahana amin'ny pejy facebook : https://www.facebook.com/toetrynyandroetomadagasikara

Palavra-chave: meteorologia moçambique 7 dias

Tags: METEO MADAGASCAR · METEO · MADAGASCAR · AMPANDRIANOMBY · CLIMAT · CHANGEMENT CLIMATIQUE · meteo Antananarivo · meteo madagasikara · CYCLONE 2022-2023 · 2023