FLASH METEO FTT ELOISE Talata 19 Janoary 2021 10h

31/08/2026 · Météo Madagascar

Descrição

Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 160 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’Antalaha no nisy ny foiben’i ELOISE. Forte Tempete Tropicale ny heriny ary 90 Km/ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 130 Km/ora manodidina ny foibeny. Mizotra mianatsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 15 Km/ora. Hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’Antalaha izy anio alina. Tsy misy miova ny filazana voarain’ireo faritra sy distrika voakasik’izany dia : - Loza mitatao (Mena) : Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara. - Loza manambana (Mavo) : Toamasina I-II sy ALAOTRA. - Fanairana (Maitso): Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga. Entanina ny mponina voakasika mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony. Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratr’i Vatomandry sy ny Avaratra Andrefana dia entanina mba tsy hiandriaka intsony. BULLETIN CYCLONIQUE SPECIAL DU 19 JANVIER 2021 A 10 HEURES LOCALES A 09 heures locales, ELOISE est positionné à 160 Km à l’Est-Nord-Est d’Antalaha. Toujours au stade de Forte tempête tropicale, le vent moyen est estimé à 90 Km/h avec des rafales de 130 Km/h autour de son centre. Elle se déplace désormais vers le Sud-Ouest à 15 Km/h. Un atterrissage sur Sava est attendu dans la nuit. Les avis d’alerte lancés restent en vigueur : - Alerte rouge (Danger Imminent) : Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra et Mandritsara ; - Alerte Jaune (Menace) : Toamasina I-II et Alaotra ; - Alerte Verte (Avertissement) : Brickaville, Vatomandry, Mahanoro et Moramanga. Veuillez suivre attentivement les consignes émises par les autorités locales. La sortie en mer sur le littoral Nord-Ouest ainsi qu’au Nord de Vatomandry est déconseillée. Prochain bulletin : à 13 heures locales.

Palavra-chave: meteorologia quelimane

Tags: CYCLONE ELOISE